Tongava Re! - Invitation To The Celebration

6 views

Lyrics

Tongava re, tongava re!
 Tongava mamangy ny tanana misy anay
 Tongava aza misalasala ho'aho
 Tongava manaraka ny arabe, zay mitondra mankany.
 Ho adinonao daholo ary ireo sorisory
 Sorisory mandreraka anao
 Ho adinonao daholo ary ireo tebiteby
 Tebiteby mandreraka anao
 Fa ny zavatra ho hitanao any
 Dia lanonana!
 Lanonana miaraka am'reo akama
 Zay ao an-tanana!
 Tsy kobaka am-bava izy ity ry zalahy
 Tsy kobaka am-bava toy ny kabary
 Tsy kobaka am-bava nodradradradraina fa
 Hirahiran'ireo bandy kely izay mitendry kabosy!
 Manakoako daholo ireo lohasaha malaza mangina
 Manakoako daholo ny ambanilanitra iray manontolo a!
 Tsy mbola nahita ohatr'zany aho, tena marina ho'aho
 Feona kabosy sy dihy malagasy dia mahavita an'izany
 Tsy notambatambazina na noterena
 Fa tonga daholo ny tao an-tanana
 Niara-niredona ireo hirahira
 Hirahira ataon'ireo bandy kely
 Hirahira vokatry ny tany!
 Velona am'zay ary ny lamako
 Miaraka amin'ny amponga
 Velona am'zay ary ny taralila
 Miaraka amin'ny langoraona
 Tsy mbola nahita ohatr'zany aho, tena marina ho'aho
 Nanjary nisy bal tao an-tanana
 Mandra-parain'ny andro ah!
 Iny fa tonga am'zay,
 Tonga am'zay ny maraina
 Iny fa nody am'zay
 Nody am'zay ireo akama
 Manaraka ny arabe, arabe
 Zay mitondra an'zareo handeha, handeha
 Mandehana re, mandehana re!
 Mandehana mankany amin'ny tanana misy anao
 Mandehana aza misalasala ho'aho
 Mandehana manaraka ny arabe
 Zay mitondra anao mody
 Hiverina daholo ary ireo sorisory
 Sorisory mandreraka anao
 Hiverina daholo ary ireo tebiteby
 Tebiteby mandreraka anao
 Fa ny zavatra miandry anao any
 Manadala ho'aho
 Kandra be manadala ho'aho ry leirony ah
 Ka mba marina mafy!

Audio Features

Song Details

Duration
04:32
Tempo
89 BPM

Share

More Songs by Dama & D'Gary

Similar Songs